Rehefa vita tsara ny detouragen'ilay tracé dia miditra @ selection amin'izay isika;
manao clique-droite amin'ny selection de tracé isika ary manao définir une séléction
tahak'izao

ary mitohy toy izao,

rehefa vita ny séléction dia mahazo zavatra ohatran'izao

vita izay dia afaka miditra amin'ny fandokoana amin'izay isika, nefa aza adino fa mialohan'io dia tsy maintsy
mi-creer calque aloha isika, eto ilay izy dia atao amin'ilay groupe fanampiny eto amin'ny ilay tuto izy dia mitondra
ny anarana calque 1 aloha

maka ny pot de peinture amin'izay ary lokoina ilay selection teo

vita izay dia mila manao ny ilany ihany koa isika, mitovy ihany moa ny sisiny roa ka dia mampiasa ny duplication de
calque isika mba hanafaingana ny asa, miditra eo @ gestionnaire de calque isika ary manindry an'io fleche kely à
droite io ary manao duplication.
toy izao

Jerena tsara nefa hoe aiza no asiana ilay calque ho dupliquer-na, eto izy dia ao @ ilay fichier niasana ihany ary
tonga dia misy hoe copie foana izay calque dupliqué

Raha mijery eo @ ilay gestionnaire de calque isika, dia hita fa misy hoe barre jaune sy barre jaune copie ao
anatin'ilay fanampiny, afaka mametraka an'io ery amin'ilay sisiny droite amin'izay izany tsika zao ka ny outil
selection no ampiasaina; tsy adino ny mi-cocher an'ilay selection automatique de calque ery ambony mba hafahana
manaraka tsara an'azy dia mahazo ohatran'izao isika

akisaka eny amin'ny toerana tokony hipetrahany amin'izay ilay izy (matetika touche directionnel aloha no ampiasaina
satria mifangaro @ ilay tena izy ilay calque vao avy no dupliquer-na dia miara mifindra) dia mahazo zavatra
ohatran'izao isika

Ny iray moa côté gauche ny iray côté droite, donc mila avadika ihany koa izany ilay calque, ka toy izao indray no
fanaovana an'azy

dia izao no valiny azon-tsika

vita izany aloha izany ny famtrehana an'ireo bande jaunes fa hiditra amin'ny etapes hafa indray isika,
zavatra saika hadino, raha jerena tsara eo amin'ilay gestion de calques dia misy ny sasany tsy misy
an'ilay ohatran'ny icône maso kely ireny, izany hoe izay misy an'io icône io ihany izany no affiché eo @ planche de
travail.ny étape manaraka ho atao dia ho ampiana ny lokon'ilay fiara satria mba mety mahita inspiraka hafa izany isika fa
raha ny eto amin'ny ohatra dia fotsy, manga ary mena no eo.
ny ataon-tsika eto nefa dia ho atao degradé ilay loko satria ny tanjona dia ny mba hampalalana antsika ny
fonctionnalités an'ireo outils rehetra ao @ photoshop;
ka toy ny teo aloha ihany dia mila mamorona calque iray isika, eto dia nampiarahina amin'ireo loko 3 par défaut izy

vita izay, dia soloina degradé ilay pot de peinture ary double-cliquer-na dia mahazo zavatra sahala amin'izao isika

raha ohatra moa ka tsy misy mety aminao ireo degradés prédéfinis ireo dia tsotra ihany ny mamorona arak'izay hitiavanao azy ka toy izao no atao;
ilay carré fleché noir dia midika intensité an'ilay loko, ary ilay eo ambany dia ny loko ampiasaina aminy, eto moa dia ny mavo(côté gauche) ary natao orange ny côté droite ka ny nahazaoana an'io orange io dia mi cliquer eo @ ilay carré côté droite fotsiny dia miseho avokoa ny option rehetra eo ambany.