Ny FSAM dia faly mampahafantatra anareo fa nisy delegasiona Malagasy izay notarihin'ny Président Jimmy Rakotofiriga ary notronin'i Adam Yachine lasa nivory any Tanzania rehefa avy nijery ny Zambia Rally 2009.
Marihina moa fa nahazo fanasana avy amin'ny fikambanan'ny A.R.C izy ireo ka ny fampahafantarana an'i Madagasikara sy ny vinavina hampiditra ny rallye gasy eo amin'ny sehatra International no atondian'izy roalahy ireto sady mitady izay fomba hanampiana an'i Mathieu Andrianjafy izay tonga amin'ny dingana famaranana any Rwanda amin'ny volana Septambra hoavy izao eo amin'ny sehatry ny "Pirelli Star Driver".
Manantena vaovao tsy ho ela isika.
